airtel

Sosialy

20-janv-2021

Sosialy

Fisorohana ny fifindra-monina Omena tany hamboleny sy hiompiany ireo mponina any Atsimo

Sample post image

Saika miala ny faritra niaviany avokoa ireo mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy

20-janv-2021

 

 

 

amin’izao noho ny haintany sy ny hanohanana. Tsy vitsy ireo efa tonga tao Fianarantsoa sy teto an-drenivohitra, nampanantenain’ny sasany omena asa mahavelona. Nahita vahaolana hahafahana miady amin’izany ny Fitondram-panjakana raha araka ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly tany Tolagnaro. Nambarany tamin’izany fa tany mirefy 200 ha no hozarainy amin’ireo mponina any an-toerana ka 1.000 m² isaky ny ankohonana no hatolony amin’izany hahafahan’ireto farany miompy sy mamboly. Omena fiofanana ihany koa ireto farany manomboka amin’ny fiandohan’ny volana febroary ho avy izao ka hatramin’ny volana Jona hisian’ny vokatra miakatra. Mandritra izany anefa dia mbola hamatsy sakafo tsy miato ho azy ireo ny Fitondram-panjakana ka mponina miisa 300 000 isam-bolana no ezahina hahazo tombontsoa, sakafo havaozina hatrany miankina amin’ny filan’ny mponina. Fiara lehibe miisa 10 mitondra karazan-tsakafo sy kojakoja maro samihafa moa omaly no niainga tany Tolagnaro niazo ny faritra atsimon’ny Nosy hizara izany ho an’ireo mponina tratry ny kere any atsimo.

Pati

Legende : Hahazo sakafo tsy tapaka amin’izay izany ireo mponina any amin’ny farita atsimon’ny Nosy

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap