airtel

Sosialy

21-juin-2022

Sosialy

Fisorohana ny fipoahana ara-tsosialy Hatao 500 miliara Ar ny fanohanana ny Jirama…

Sample post image

Mieritreritra hampiakatra ho 500 miliara Ar ny fanampiana ara-bola ho an’ny Jirama ny Fanjakana amin’ity taona 2022 ity.

21-juin-2022

380 miliara Ar no voavinavina ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI 2022), ary hampiana 180 miliara Ar izany ao anatin’ny vinavinan’ny volavolan’ny tetibolam-panjakana hasiam-panintsiana na PLFR 2022. Haompana amin’ny fampiodinana sy fampiasam-bola ao Jirama io, saingy ho tafiditra ihany koa any amin’ny fandaniana mikasika ny rano sy ny herinaratra. Tao anatin’ny nifampiresahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) momba ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) no namaritana sy nanaovan’ny Fanjakana karazana fanekena fa hoferana 380 miliara Ar io sora-bola hatontona any amin’ny Jirama io, saingy ao anatin’ny “Revue 2” no voalaza fa hisian’io fivoarana mety hanekena ny fampiakarana ho 500 miliara Ar io, izay voalaza fa misy fivoarany ny fifampiresahana. Etsy ankilany anefa, efa nisy ilay fanekena hanomezan’ny Banky Iraisam-pirenena 220 tapitrisa dolara ho an’ny fanatsarana ny sehatry ny rano, izay nampanaovany “contrat de pérformance” an’ny Jirama, nitakiana fangaraharahana sy fahombiazana ara-pitantanana. Hatreto, mbola bokan-trosa ny Jirama, sempotry ny olana, mivarotra fatiantoka satria raha 1300Ar no hividianana ny 1kwh amin’ny mpamatsy herinaratra, dia 500kwh kosa no hivarotana azy. Tsy afaka tena mampiakatra vidin-jiro amin’ny fomba ofisialy anefa ny Fanjakana satria matahotra fipoahana, kanefa ny faktiora aloha dia toa tsy miova fa mitombo aza na misy delestazy na tsy misy.
TSY AZO ALAMINA VE NY RAHARAHA TSIMIRORO ?
Ny solika nambaran’ny tompon’andraikitra voalohan’io orinasa io, fa raha 2000Ar no nividianany azy, dia hiakatra 4000Ar eo ho eo. Ny vidin’ny solika mavesatra nambara fa mahatratra hatrany amin’ny 58% ny fiakarany. Resahina matetika ny hoe: inona no tsy ampiasana ny solika mavesatra avy any Tsimiroro izay nanaovan’ny Jirama valin-teny fa vonona izy ireo saingy vonona ny amin’izany ve ny Madagascar Oil? Ny solika mavesatra avy amin’ity orinasa ity izay nohamafisin’ny Jirama fa tena nahomby tamin’ny fanandramana efa herintaona teo izay. Tsy misy fivoarany anefa ny fifampiraharahana eo amin’ny orinasa roa tonta. Tsara ny mampahatsiahy, fa tafiditra sy voatonona tamin’ny raharaha “Appolo 21” izay nambara fa fikasana hamono ny Filoha io orinasa mpitrandraka solika io. Toa misy resaka politika ny sakana raha raisina amin’io. Izany ve no hanaovana sorona ny Jirama sy ny vahoaka ? Toky Ra

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap