airtel

Sosialy

08-mars-2024

Fitantanana ny firenena

Mila mandresy ny gaboraraka sy kolikoly raha te handroso

Sample post image

Maha mafy sy matanjaka ireo firenena any Eoropa avaratra,

08-mars-2024

Azia atsimo atsinanana ny fanajana ny lalàna sy fitsipi-piainana, ny tahana kolikoly tena ambany , ary ny asa sy famokarana. Tsy misy firenena mandroso izany kanefa miaina ao anaty gaborakaka sy fandikan-dalàna ary kolikoly. Raha ireo no voatohitra dia hihena ho azy ny trafika isan-karazany, ny halatra, ny fibodoana tanin’olona, ny resaka mahitahita sy lava tanana any amin’ny fitsarana.
MILA MIEZAKA NY REHETRA
Efa maro ireo firenena aty Afrika no tonga saina amin’izany ka nanova fomba famindra sy tena nanitsy mihitsy ny fomba fiasa, hita ho lasa misongadina izy ireo na dia mety hoe mbola misy ampahana fahantrana ihany hita ao aminy fa ny tsapa aloha dia mivoatra ry zareo, eo ohatra i Rwanda, Ethiopie, Kenya, Ghana, Sénégal…Nahasahy ary nahavita nanao dingana lehibe izy ireo, nitondra fanitsiam-pitantanana tany amin’ny sehatra rehetra tao amin’ny firenena. Raha toa i Madagasikara sy ny Malagasy izany ka te hivoaka ho any amina fiainana tsara kokoa noho izao fahoriana iainana isan’andro izao dia misy fanovana fomba fisainana, fomba fiasa, fomba fijery tsy maintsy atao.Ny rehetra no mila manao an’io, izany hoe ny mpitondra, vahoaka, mpiasam-panjakana, mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, mpitandro filaminana, ny olom-pirenena rehetra…Ny olombelona no harena voalohany ao amina firenena iray, ka rehefa io olombelona io no mahalala tsara ny tokony ataony dia izay ilay hoe fiarahamonina mirindra.
MISY DINGANA
Misy dingana tsy maintsy arahina kosa anefa fa tsy hoe ao anatin’ny indray mipi-maso dia ho vita ny fanovana. Mila alamina ny fiarahamonina , ampiakarina ny fari-piainan’ny vahoaka, ampidirina tsikelikely any amin’ny sehatra ara-dalana ireo tsy manara-penitra. Misy fanentanana, fanabeazana, fampahafantarana tsy maintsy atao amin’ny olom-pirenena ary tsy vitan’ny hoe hanaovana dokam-barotra sy fanentanana manokana amin’ireo haino vaky jery ilay izy fa tena mila mitety vohitra mihitsy. Mba hihaona mivantana amin’ny vahoaka ny manampahefana mpitantana. Fa raha manohy amin’izao zava-misy iainana izao aloha ny eto Madagasikara dia efa azo antoka fa mbola hahantra kokoa noho izao indray afaka 5 taona. Ka rehefa tonga eo indray ny mpitondra manaraka dia miverina ihany ny olana efa niainan’ireo teo aloha rehetra. Fitondram-panjakana sempotra no misy, toekarem-pirenena mandohalika ary vahoaka reraka. Dia ho kany eto indray ny 5 taona manaraka fa hoe hanarina, dia hisavorovoro indray ny resaka politika, dia izany foana no iainana. Ny fahaiza-mandamina no entina miady, ny mpitondra tarihin’ny filohan’ny Repoblika no mpandamina sy mpandrindra, manao izay ampiharana ny lalàna…ka rehefa ireo no manaiky na sanatria manao mihitsy ny gaboraraka dia izany no natony fa rava ny tsena.Sarotra ny hampianatra ny vahoaka kanefa ireo mpitondra tokony ho fitaratra hanome ny ohatra tsara mihitsy no manondrana sy tsy to-teny intsony, hany ka malaina amin’izay asa rehetra atao ny vahoaka.
RTT
 

Dans la même rubrique