airtel

Sosialy

01-mars-2022

Sosialy

Fitaterana fanampiana ho an’ny traboina Nanetsika ny tafika FAZSOI ny Frantsay

Sample post image

Nanetsika ny andian-tafika FAZSOI (Forces armées dans la zone sud de l’océan Indien) nitondra tohana sy fanampiana vokatry ny fiantraikan’ny rivodoza,

01-mars-2022

 indrindra ny tany amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy ny 5-6 febroary 2022 sy tany Vatovavy Fitovinany ny Frantsay, araka ny fampitam-baovaon’ny Masoivohony eto amintsika omaly 28 febroary 2022. Nilaza ho nanetsika ireo fitaovany ara-tafika mba hitaterana ireo fitaovana mikasika ny maha olona tena maika avy amin’ny Croix-Rouge Frantsay nentina nihazo an’i Manjary nanampiana ny traboina. Noho ny fangatahan’ny governemanta Malagasy sy ny fiaraha-miasa amin’ny Minisitra misahana an’i Eoropa sy ny raharaha ivelany, niampy ny fanampian’ny Vondrona Eoropeanina, nambara fa nanomboka ny hetsika momba ny maha olona ihany koa ny Frantsay. Taorian’ny andiany voalohany nitaterana entana milanja 2 taonina avy amin’ny PIROI (Plate-forme d’Intervention Régionale de l’Océan Indien), nisy ny sidina nataon’ny fiaramanidina CASA an’ny FAZSOI nampifandray an’i Toamasina sy Mananjary, nahafahana nitatitra ireo mpamonjy voina Frantsay niaraka tamin’ny entana 26 taona. Teo ihany koa ny A400M Atlas niainga avy tany amin’ny tobim-pamaharana anabakabaka 123 an’i Orléans-Bricy, nitondra ireo mpamonjy voina sy mpamonjy aina ary miaramilan’ny FAZSOI avy any La Réunion nihazo an’i Madagasikara nahafahana nivezivezy nampifandraisana an’Ivato sy Mananjary, ka nahafahana ihany koa nizara fanampiana 40 taonina ho an’ny traboina. Raha mitodika kely amin’ny ara-politika sy ara-jeopolitika, dia marihina andian-tafika apetraky ny Frantsay hifehy sy hanara-maso ary hiaro ny tombotsoany aty amin’ny Fari-dranomasina Indianina ny FAZSOI, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Nosy manodidinana izay hiadiavantsika aminy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap