Tena mbola misy amin’izao taon-jato iainantsika izao ny olona manohan’aina amin’ny raketa ho solon-tsakafo, toy ny any Androy. Fotoana fiakarany izao, ka100 Ariary ny tokon'ny raketa any an-toerana, ary tena mihinana an’io ny ankamaroan’ny olona. Fandre ihany koa ny fihinanan’ny olona amin’ny faritra sasany ny viovio noho ny tsy fisian-tsakafo ka betsaka no efa matiny. Raha ny tatitry ny UNICEF ny volana martsa teo, mahatratra 874 000 olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara, araka ny fanadihadiana tafiditra amin’ny fanasokajiana mikasika ny antoka momba ny fanjarian-tsakafo. Ankizy hatrany amin’ny 115 000 any amin’io faritra io no mila fikarakarana manokana hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, raha ny tatitra tamin’izany. Efa an-taonany marobe ny olana any Atsimo, ary matetika aza toa natao fitaovana hitadiavana fanampiana iraisam-pirenena. Ny olana ve no saro-bahana sa ny finiavana no tsy ampy hany ka toa hatao fitaovana politika isaky ny propagandy mba hakana fon’ny olona hatrany io olana any Atsimo io?
Toky R
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.