airtel

Sosialy

21-mai-2024

Fitokanana «jet d’eau»

Voalatsa indray i Antananarivo

Sample post image

Ny rano tsy misy, ny «jet d’eau» no tokanana. Izany ve tsy fanambaniana,

21-mai-2024

hoy ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao iray raha nahita ny famirapiratan’ny lanonana nitokanana ny tsangambaton’Iarivo sy ny «jet d’eau» na lalaon-drano amin’ny endriny vaovao manoloana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo tetsy Analakely ny alin’ny zoma teo. Voalatsa indray i Antananarivo, araka izany, satria dia iaraha-mahalala tokoa ny olana amin’ny fahafahan’ireo mponina misitraka rano fisotro madio sy tsy tapaka eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Ireo mponina amin’ny boriboritany sasany toy ny eny amin’ny faha 2 sy faha 5 moa dia efa toy ny lasa vazivazy zaritenany sisa ny fitenenana hoe «Efa mahazatra ilay tsy misy rano manomboka amin’ny 6 maraina ka hatramin’ny 11 ora alina.». Tsy voafaritra mazava rahateo hatreto ny fandaniana tsy maintsy atao isan-karazany amin’ny fotodrafitrasa tahaka itony fa ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokana moa izany dia hoe sady haingo izy itony no endriky ny tanàna. Hatreo! Inona izany no mety ho soa ho entiny eo amin’ny fampandrosoana an’Antananarivo sy ny vahoaka ao aminy?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-janv-2025

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana

Card image cap
14-janv-2025

Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy

Card image cap