airtel

Sosialy

02-nov-2021

Sosialy

Fivarotana vy Mamelona ankohonana maro, 700 Ar ny kilao

Sample post image

Anisan’ny asa iray tsy mitsahatra ny mahazo vahana ny asa fivarotana vy eto an-drenivohitra. Mamelona ankohonana maro izy io,

02-nov-2021

 akora fototra karohina hatrany anaty tany sy any anaty fako, hamidy 700 Ar ny iray kilao. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina ankohonana iray mivelona amin’ity asa ity dia olona 4 mianaka izy ireo no mandeha mivoaka ny trano mba hikaroka vy isan’andro. Miezaka ny mahazo 1 kg isan’olona izy ireo hividianana ny sakafo hanina isan’andro ka misy eny amin’ny fako no mikaroka izany, misy miady lavaka mihitsy mba ahitana vy ankoatra ireo mandehandeha mitety tanana mijery ireo karazam-by tsy ilain’ny olona intsony toy ny lavarangana vy simba….Misy mandray foana ny vy isan’andro raha ny fantatra. Havadik’ireo mpanam-bola ho lasa vy fanamboarana trano indray mantsy izy ireny avy eo rehefa avy arendrika. Tsy mitsaha-mitombo rahateo ireo mpanamboatra trano eto amintsika na dia sarotra aza ny fiainana. Na izany aza anisan’ny lafy ratsin’ity asa fivarotana vy ity kosa ny fihitaran’ny sain’ireo olona mpitady izany amin’ny ratsy. Maro amin’ireo karazana foto-drafitrasa vita amin’ny vy eto amintsika mantsy no misy sahy manendaka mihitsy raha tsy lazaina intsony ny vy amin’ny varavaram-pasana, ny paompin-drano….tranga izay hita sy misy hatrany amin’ny faritra.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap