airtel

Sosialy

18-févr-2022

Sosialy

Fizarana fanampiana hafahafa Sao mba misy ambadika famaizana an’Ikongo ?

Sample post image

Sady mampalahelo no mahamenatra, saingy izay tokoa angamba ilay hoe: “miaina amin’ny zava-misy”. Izay no azo hamintinina ny fizarana fanampiana tany Ikongo.

18-févr-2022

Ny olona mpilahatra fanampiana maro dia maro, ny fanampiana hozaraina vitsy dia vitsy, hany ka vary iray “Madco”, voamaina in-telon’ny sarona madco, menaka 3 kapsily, ary teti-tsavony tombanana ho 100 Ar no nozaraina tamin’ny olona. Natao ny fizarana na efa hita aza fa tsy ampy noho ny fahasahiranan’ny traboina, hoy ny tompon’andraikitra. Tapaka mantsy ny lalàna, ka tsy tonga ny fanampiana, ary ny Minisiteran’ny mponina sy ny Minisiteran’ny fiarovana no nividy ireo voalaza fa nozaraina. Efa nisy ireo fanampiana nalatsaka tamin’ny fiaramanidina, saingy tsy ampy. Karazan’ny nanome tsiny kosa ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC, ka nilaza fa izay no ilàna ny mpandrindra dia ny BNGRC, fa tsy tokony ny tsy miankina no hizara, ary nanala tena ho tsy nizara izany izy ireny. Efa ela no fantatra fa traboina ny tany, ka hiandry fandaminana inona? Ka tsy tokony ny mpizara sy mpandrindra no nanafaingana ny asany fa tsy hoe: efa misy mizara menaka telo kapsily vao hoe: izahay no mpandrindra? Ny mahagaga ihany koa dia misy faritra hafa toa hanaovana serasera be ny fizarana fanampiana tany, ary haseho fa hifanosehana mihitsy, toy ny tao Mananjary. Nisy hatramin’ny fanaratsiana ny mpanohitra nitondra fanampiana. Misy ifandraisany tamin’ny kiana nataon’ny Depioten’Ikongo momba ny teleferika ve ny endrika tsy dia firaharahiana loatra an’i Ikongo izay toa ny zesta no lasa aloha tamin’ny fanampiana hoe: ireny fa manampy an’ity distrika ity ny Fanjakana kanefa aty aoriana izao no miseho? Sanatrian’ny vava faizina noho ny resaka politika ve Ikongo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Card image cap