Faraony, ao anatin’ny Distrikan’i Manakara. Saika ny 95% amin’ny vahoaka no traboina, kanefa ny fanampiana azon’ny kaominina tsirairay 12 hatramin’ny 14gony, raha ny voalazan’ny taratasin’izy ireo. Milaza izy ireo fa teren’ny vahoaka hizara izany, kanefa rehefa natao ny kajy dia vary 1 madco sy menaka 1 sotro ny anjaran’ny tsirairay, hoy ireo ben’ny tanàna izay milaza fa tsy te hizara izany. Tsy mety mizara an’io izahay satria manimba ny Politikan’ny Filoha, ka mangataka izahay Atoa Filoha ny hanomezana fanampiana ny vahoaka aty amin’ny Departemantan’Ampasimanjeva, hoy ny fanambarana narahin’ny fitombokasem-panjakana miloko mena sy ny sonian’ireo ben’ny tanàna. Miseholany izany ankehitriny ny olana amin’ny resaka fanampiana. Efa nozarina ny olona fa tokony hahazo ny anjarany, saingy mahatsapa fa rehefa ny Filoha no tonga mivantana mizara dia betsaka kokoa : amin’ny gony ny vary, amin’ny litatra ny menaka, sardina,…. fa rehefa any amin’ny tany lavitr’Andriana dia hafatra amin’ny « madco » sy « sotro » na « kapsily »,… Hampanantsoina any amin’ny Polisy toy ny natao ilay namoaka vaovao tao Ikongo ihany koa izany ireto ben’ny tanàna ireto ? Rehefa tsy misy Filoha na olona ambony tonga ifotony izany dia tsizarizary ny fanampiana? Toa zary lasa mampiady ny vahoaka sy ny manam-pahefana eny ifotony ilay zava-misy sy ny fomba fiasa. Andrasana hisy sakoroka tahaka ilay tao Nosy Varika nisiana famakiana mangazay nitehirizina vary tsinjo ve vao ho taitra? Endriky ny fahantram-bahoaka izao ka zary miantehitra sy miantsampy amin’ny fanampiana ny ankamaroany. Tsy tokony hirehareha amin’ny fizarana zavatra sy fanjonoana vahoaka ihany koa anefa ny mpitondra. Lasa vahaolana miteeraka olana aza ilay izy ankehitriny. Tsy voninahitra io, fa fahafaham-baraka satria mpitondra mahay tsy tokony ho fadiranovana miantehitra amin’ny fanampiana sy kitolotolotra ny vahoakany, fa afaka mamokatra sy mivelona.
Toky R
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona