airtel

Sosialy

31-janv-2022

Sosialy

Fizarana vatsy tsinjo Ireo traboina manana karnem-pokontany no hahazo

Sample post image

Hanomboka anio alatsinainy ny fizarana ilay vary tsinjo fanomezana avy amin’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo traboina.

31-janv-2022

 Na izany aza ireo manana karnem-pokontany biometrika sy ireo misora-pokontany ara-dalana ao amin’ny faritra misy ny trano fonenany ihany no afaka hisitraka izany. Tanjona ny hanamorana ny fizarana hoy hatrany ny vaovao. Ao amin’ny Fokontany Andohatapenaka II sy Ankorondrano moa no hisantarana izany anio raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika omaly alahady. Mety eny anivon’ny Fokontany nefa mety eny amin’ny toerana misy sy handraisana ireo traboina no hitsinjarana izany raha araka ny fantatra. Tsiahivina fa ahitana vary milanja 25 kg sy legioma 3 kg, ary menaka iraay litatra ity fanampiana vary tsinjo ity. Toraka izany koa ny savony, sardine, CVO hiarovana amin’ny aretina Covid 19. Omaly no natao ny fanamboarana ireo karazana fanampiana ireo ary natao tao anaty sachet plastika tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap