airtel

Sosialy

05-janv-2023

Sosialy

Fotsim-bary eny an-tsena Efa tafakatra 146.000 Ar ny iray gony

Sample post image

Tena efa hitovy amin’ny karama raisin’ny olona iray isam-bolana ho an’ireo mbola mikarama 150.000 Ar ny vidin’ny fotsim-bary iray gony eny an-tsena amin’izao.

05-janv-2023

Ho an’ireo karazam-bary mba tsaratsara toy ny makalioka io. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia nambarany fa mbola hiakatra hatrany io vidim-bary io indrindra raha vantany vao avy mijojo tsy miato eo ny ranon’orana. Tsy maintsy hitaraina indray mantsy hoy izy ireo kamiao mpitatitra vokatra fa ratsy ny lalana ka tsy maintsy mampiakatra saran-dalana izy ireo. Ireo mpanera eo an-daniny hoy hatrany ireo mpivarotra mbola manao ny hataony ihany koa. Amin’ny volana Febroary any ho any moa hoy hatrany ireo mpivarotra no tena ahiana mafy hampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena raha toraka izany ihany koa ny vidina saribao izay efa mananika ny 40.000 Ar amin’izao ny iray gony. Miankina betsaka amin’ny mety ho toetr’andro eto amintsika araka izany ny mety ho fiakaran’ny vidim-bary amin’ny ankapobeny ankoatra ny fanararaotan’ny sasany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro anefa dia amin’ity volana Janoary ity ihany dia mety efa hisy rivodoza hiditra eto amintsika ka tokony samy hiomana ny rehetra. Efa niakatra 1.100 Ar ihany koa amin’izao ny vidin’ny fahana amin’ny karatra kikisana 1.000 Ar teo aloha, lasa 2.000 Ar ny kapoakan’ny voanjo masaka raha 1.800 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Hamay ny vidim-piainana eto amintsika raha tsy voafehin’ny Fitondram-panjakana (sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap