karazany mba tsaratsara. Ho an’ny karazam-bary riz de lux ohatra raha 720 Ar ny niandohan’ny iray kapoaka tato anatin’ny roa volana izao dia efa mahatratra 800 Ar ankehitriny. Toraka izany koa ny makalioka izay efa mananika ny 850 Ar ny iray kapoaka. Raha araka ny fanadihadiana natao dia nambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary. Amin’ny ankapobeny anefa dia mbola misy mpivarotra vitsivitsy mampiakatra ihany saingy kelikely raha tena midangana be kosa izany ho an’ny sasany. Toraka izany koa ny vidina savony izay efa mahatratra 2.400 Ar ny singany iray ho an’ireo sibabe,, ny ronono amin’ny boaty, ny siramamy ny hen’omby izay lasa 10.400 Ar ny iray kilao amin’ny kitoza malemy… Antso avo araka izany no hatao amin’ny Ministera tompon’andraikitra mba hijery akaiky ireny karazana mpivarotra manararaotra ny mpividy ireny. Misy amin’izy ireo mantsy no mahasahy tsy mametraka vidin’entana mihitsy raha tsy hanontaniana ka tokony hojerena ihany koa.
Pati
Legende : Miaka-bidy hatrany ny fotsim-bary eny an-tsena
Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na
Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony