airtel

Sosialy

16-janv-2024

GLOBO VISION DEVELOPPEMENT

Vaky ny ady amin’ny tsy fananan’asa

Sample post image

Ny tsy fananan’asa no anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

16-janv-2024

Rehefa noana mantsy ny olona iray nefa tsy an’asa dia lasa manaotao foana izy mba hihinanany sy ny ankohonany. Izany indrindra no antom-pisian’ny Globo Vision a Madagascar etsy Anosizato Andrefana raha tsiahivina orinasa hamorona asa ho an’ny mpiara-belona, nitsangana efa volana vitsivitsy izao. Tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo koa ny mba hananan’ny mpiara-belona trano fonenana, fahasalamana, ny hisian’ny fandriampahalemana ary ny mba hahafahany mampiana-janaka mba ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tsy hiandrasana ny mpitondra irery ny fanatanterahana izany hoy Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity orinasa ity omaly fa tsara raha mandray andraikitra ny rehetra. Ny fahantrana lalina mahazo ny Malagasy mantsy hoy izy no fahavalo iombonana na ho an’ny mpitondra na ho an’ny mpanohitra fa tsy olombelona raha tiana handroso i Madagasikara. Ho azy ireo manokana araka izany dia olona marobe no efa nahita asa hatreto na manana diplaoma na tsia. 18 taona ka hatramin’ny 80 taona izy ireo, noraisin’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar raha mbola ho avy ihany koa ireo orinasa lehibe sasany hafa. Tsy misy tombony ho anay izany hoy Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle na kely aza. Aminy mantsy dia ny olona no harena fa tsy ny vola velively.
Pati
Legende : Rasolofonoroniaina Julie Mickaelle, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny orinasa Globo vision developpement a Madagascar !
 

Dans la même rubrique