airtel

Sosialy

07-janv-2021

Sosialy

Governemanta Amerikanina Nahatonga fanampiana 271taonina any Atsimo

Sample post image

Nanara-maso ny fahatongavan'ny andiany voalohany amin'ny fanampiana ara-tsakafo avy

07-janv-2021

 

amin'ny tetikasa Firanga tohanan'ny USAID Madagascar, izay tonga tao Toliara ny Mpanolontsaina voalohan'ny Masoivoho Amerikana Tobias Glucksman ny 30 Desambra teo, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Sakafo sy menaka mihoatra ny 271 000 kg na 271 taonina no efa tonga any amin’ny trano fitehirizana, ary ampahany ihany izany. Sakafo fanampiny mihoatra ny 7000 taonina no ho tonga afaka volana vitsy hanampiana ireo olona ianjadian'ny haintany any atsimo. Mahafaly ny governemanta Amerikana ny maha-lohaharana azy amin'ny fitondrana fanampiana ara-tsakafo sy fitaovam-pamokarana ho an'ny tapany atsimon'i Madagasikara, hoy ny Masoivoho Amerikanina. Vao tsy ela izay no nanambarana ny fanomezana 100 tapitrisa dolara hamatsiana tetikasa telo hanatsarana ny fiahiana ara-tsakafo any atsimo sy atsimo-atsinanana. Fanampiana izay mitovana amin'ny fanampiana noho ny hamehana mitentina 100 tapitrisa dolara nampiasaina tany atsimo nanomboka ny taona 2015. Mpirahalahy mianala, hoy hatrany ny Masoivoho Amerikanina eo anatrehan’ny fitondrana fanampiana ho an’ireo Malagasy any Atsimo.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap