airtel

Sosialy

20-août-2021

Sosialy

Haingosoa Hortensia Antoinesie “Efa 20.000 ariary izao ny saribao iray gony”

Sample post image

Ho ampitomboina avo roa heny ny fandrakofana ala an’I Madagasikara, hoy ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy,

20-août-2021

 Haingosoa Hortensia Antoinesie, nandritry ny lanonana fampandraisana fahefana azy tetsy Ambatobe omaly. Manana stratejia vaovao ankoatran’ny efa hananan’ny MEDD ankehitriny izahay hanampiana tosika izany, hoy izy. Iarahana amin’ireo tekinisianina momba ny ala izany. Manenika an’i Madagasikara iray manontolo ny fandrakofana ala an’i Madagasikara fa izay efa nisy ala teo aloha no haverina ho rakotra ala ihany koa. Raha ny mikasika ny Menabe Atimena manokana dia iarahantsika mahalala ny odidina na “contexte” fa somary henjakenjana saingy hitondranay vahaolana izany ary hifanome tanana izahay sy ny minisitra. Mikasika ny resaka saribao, araka ny efa nazavaina, dia misy fifandrindrana tokony tadiavina ary efa eto angamba ny tekinisianina momba ny ala efa mandray fepetra momba izay. Efa midina lasa 20.000 ariary izao ny iray gony fa tsy 50.000 ariary intsony, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap