airtel

Sosialy

03-août-2021

Sosialy

Haintany sy Kere any Atsimo Manomboka maro indray ny mpitsoa-ponenana

Sample post image

Manomboka misy indray amin’izao fotoana izao ny olona avy any amin’ny Faritra Atsimo mitsoaka any sy mitady toeran-kafa hierena sy hivelomana.

03-août-2021


Manodidina ny 40 no manao andiany, toy ireo omaly izay naneho, fa hiazo an’Ambondromamy hitady toerana ahafahana mamboly sy mivelona satria tena tsy misy azo atao any Atsimo. Tao ny efa hatrany amin’ny 8 volana no voalaza fa nanomana saran-dàlana, kanefa ireo zaza efa afaka miasa ihany aza no nentina, fa ny madinika najanona any Atsimo. Raha ny tatitra, ny 5,63% tamin’ny faritra tratry ny haintany any Atsimo no efa tao anatin’ny sokajy farantampony amin’ny fahavoazana na “urgence” ho an’ny volana jona lasa teo. 44,45% kosa no tao anatin’ny sokajy atahorana na “Alarme” ary 44,59% ny ambiny izay tsy azo hamaivanina ihany koa, raha ny tatitra momba ny haintany “bulletin d'alerte sécheresse du Grand Sud de Madagascar – 2021”. Isan’ny tena voakasika ny distrikan’Amboasary, Ambovombe, Beloha, Bekily, Ampanihy, Betioky,… Somary nihena kely ny faritra tena lasibatry ny haintany farantampony mitaha ny 2020, saingy mbola tena mampanahy hatrany ny zava-misy. Ho an’ny volana jona aza, dia saika ny antsasaky ny faritra atsimo no niharan’ny haintany sokajy “alarme”. Nisy ny atrikasa nataon’ny Fitondrana notarihin’ny Filoha tany Atsimo ny Volana jona, nilazana fa hisy velirano 13 hatao, ka tokony hafainganina mba tsy ho resaka ambony latabatra sy fampanantenana lava toy ny mahazatra. Nokianina hatrany rahateo ny paikady nisy tany aloha toy ny fanampiana iraisam-pirenena, ka miandry sy miandrandra ilay “solution n°13” izany ny olom-pirenena amin’izao.
Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap