airtel

Sosialy

04-nov-2021

Sosialy

Haintrano goavana tany Tamponala Nitondra fanampiana ny Orange Solidarité Madagascar

Sample post image

Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana lasibatry ny haintrano goavana tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’I Tamponala ny Orange Solidarité Madagascar ho fanehoana fa orinasa tsy manadino,

04-nov-2021

 ary mitondra ny anjara biriky sy fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-piarahamonina ary indrindra amin’ny lafiny maha olona ny orinasa Orange Madagascar. Ny 12 oktobra 2021 lasa teo mantsy, dia hotohoton’ny afo ny trano 96 tafo teo tao amin’ny tanànan’i Mahamasina Fokontany Ambohipihaonana, ao anatin’ny kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana Itasy. Mahatratra 400 teo ho eo ireo olona traboina, tena tanam-polo sisa. Noho izany, nidina ifotony tany an-toerana ny Orange Solidarité notarihin’ny filohany Atoa Benja Arson ny alatsinainy 01 novambra teo, nihazo an’i Miarinarivo, Renivohitry ny Faritra Itasy, nanolotra fanomezana ho fanampiana halefa any amin’ireo mponina. Vary milanja 3 taonina, voamaina 1 taonina, lovia 400, sotro 400, kaopy 400. Nandray izany ny Governoran’Itasy Jeneraly Solofonirina Maherizo Andriamanana, ny Talem-paritry ny mponina any Itasy Lalanirina Raherison ary ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Tamponala Rtoa Voahanginiaina Chantal.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap