airtel

Sosialy

24-août-2022

Sosialy

Harivola Raharinosy “Mionona anaty tsy fanjariana isika”

Sample post image

Misy fitenenin'ny Ntaolo izay hoe "Tsy mahalala menatra ka mitafy lamba imason'ny tompony", hoy ny mpandraharaha mpandala ny maha malagasy, Harivola Raharinosy.

24-août-2022

Isika ankehitriny dia tsy mindrana fa manao ny narian'ny hafa izay mbola vidiana koa, hoy izy. Hatramin'ny anatin’akanjo hita eny amin’ny fripy. Firy isan-jaton'ny gasy izao no mahavidy akanjo eny amin’ny botika? Mandamina saina sisa hoe sasana madio io sy pasohana dia miverina toy ny vaovao. Mionona anaty tsy fanjariana isika. Toy ny efa vita vakisiny! Isika moa nilokaloka hamboly hasy. Dia aiza izany izao? Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza. Tamin’ izy niteny ireny ve efa mba nanao “business plan” na nanao “etude stratégique”, izany hoe drafitr’asa sy nijery ny ambaratongam-pilana na “chaîne de valeur” tsara? Dia mbola onena anao aho ry fireneko. "Omeo lamba soga aho tafiako fa ny zandina tsy mifanaraka amiko." Tsy haiko iza no niteny an'io fa tonga ato an-tsaiko fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap