airtel

Sosialy

09-nov-2021

Sosialy

Herinandro ho an’ny fandraharahana “GEW” “Omena fanampiana ireo tanora manana tetikasa”

Sample post image

Nisokatra ofisialy omaly 08 Novambra 2021 ny herinandro maneran-tany natokana ho an'ny fandraharahana (GEW) izay natrehan'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC)

09-nov-2021

 Edgard Razafindravahy sy ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanora Juliana Ratovoson. Tsy latsa-danja amin'izany fankalazana izany i Madagasikara, ka nanehoana fa manohana tanteraka ny tanora hiroboka anatin'ny tontolon'ny fandraharahana ny minisitera ho fampandrosoana sy tombontsoan'ny ny firenena. Nibahana nandritra ny fanokafana ny GEW 2021 ny fahavononan'ny minisitera hanome fanampiana ireo tanora manana tetikasa manodidina ny fandaharan’asa Taninketsa Indostrialy. Manana anjara feno ao anatin'ny fandaharan’asa Taninketsa Indostrialy ireo tanora liana amin'ny fandraharahana, hoy ny fanamafisana. Tanjona voalohany haverina matetika ny fampiroboroboana sy fampitomboana ny famokarana ifotony. Isan'ny nampiavaka ity Herinandron'ny fandraharahana ity ny famelabelarana sy fijoroana vavolombelona nataon'ireo Minisitra roa tonta mikasika ny làlana nizoran'izy ireo eo amin'ny sehatry ny fandraharahana. Fizarana izay ilain'ny tanora rehetra hiroso bebe kokoa ao anatin'ity sehatra mitondra sanda hary mampandroso ara-toekarena ity. Maro ireo hetsika fanentanana ho an'ny tanora manomboka ny 08 hatramin'ny 14 novambra 2021 manerana ny Nosy. Ny MICC dia vonona hiara-hiasa sy hanohana hatrany ny sehatra mitondra fampananana asa sy fanasongadinana ny vokatra eto an-toerana ary indrindra fampandrosoana ara-tsosialy eto amin'ny firenena, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap