airtel

Sosialy

15-oct-2026

HERISETRA

MIANJADY AMIN'NY ANKIZY

Sample post image

Mbola betsaka ireo tsy mahalala izany

15-oct-2026

Mbola betsaka ireo olona tsy mahalala ireo karazana herisetra mihatra amin'ny ankizy eto amintsika. Anisan'izany ny fampijaliana azy ireny toy ny fandefasana azy hiasa aman'olona, ny fikapohana sy famonoana azy, ny fanerena azy ireny hiditra eo amin'ny sehatry ny fanambadiana aloha loatra.... Notanterahina omaly Alarobia 14 Oktobra tao amin’ny Kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan'Atsimondrano ny valandresaka momba ireo karazana herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy sy ny fiarovana ny ankizy. Niarahana tamin’ny BFP Tsaralalàna sy ny Association V.I.N.A izany. Nanotrona ny hetsika ny Lehiben’ny Distrikan’Antsimondrano sy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Kaomisarian' Itaosy. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa mbola betsaka ireo ankizy miaina herisetra eto amintsika. Na ara-tsaina na ara-batana na ara-bola dia mitovitovy avokoa ny salan'isa azo. Taorian’ny fanokafana dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Ambohijafy, notarihin’ny BFP sy ny Ben’ny Tanàna ary ny lehibem-pokontany, mba hampahafantarana ny mponina ireo karazana herisetra sy ny fisorohana izany. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fihaonana tamin’ny vahoaka, ary saika liana tamin’ny fanentanana sy fifampizaràna ireo mpandray anjara. Antony mahatonga ireo olona sasany hanaotao foana moa na mijery fotsiny rehefa mahita trangana herisetra mianjady amin'ny ankizy eo akaikiny ny tsy fahampian'ny fahalalana hananany. Nentina araka izany izy ireo mba ho sahy hitoroka avy hatrany raha vantany vao mahita tranga hafahafa.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonana mivantana tamin'ny mponina !
 

Dans la même rubrique

15-oct-2026

Aoka ho mpanohana ny vahoaka ny fitondràna!"

Card image cap
14-oct-2026

Ny malagasy no tena mpanjifa

Card image cap