airtel

Sosialy

19-juil-2024

Hetsika fitsaràna manakaiky vahoaka

«Tsy polisy siantifika ny CAREA»

Sample post image

Mbola tsy dia fantatry ny olona loatra ny atao hoe CAREA na

19-juil-2024

Compagnie des arbitres rapporteurs et experts agrées près les cours et tribunaux de Madagascar», izay efa voafaritry ny fehezan-dalàna laharana 5936 ny 17 aprily 1956 nefa ny fomba fiasany ary nohavaozina tamin’ny alalan’ny fehezan-dalàna 2006-015 ny 20 jolay 2006. Isan’ny nanazava izay antom-pisiany izay tetsy amin’ny Parvis Analakely moa izy ireo nandritry ny hetsika varavarana misokatra «Fitsaràna manakaiky vahoaka». Araka ny fanazavan’ny filohany, Guillaume Rabetsimamanga, dia rafitra iray mitsangana miara-miasa akaiky amin’ny fitsarana izy io. Izany hoe rehefa misy raharaha eny amin’ny tribonaly, hoy izy, ka mila fanazavana lalindalina kokoa dia manendry anay eo amin’ny lafiny tekinika ny mpitsara hanazava aminy hoe inona io zavatra io? Misy hala-tsonia, ohatra, ka ny andaniny miteny hoe hala-tsonia io fa ny ankilany miteny hoe soniany io dia maka manam-pahaizana manokana na «expert» izy hanamarina hoe tena soniany sa tsia? Izaho izao «expert» amin’izay. Ny hampirindra tsara ilay raharaham-pitsarana no tanjona amin’izay. Mahafaly anay ny hetsika toy itony hoe «Fitsaràna manakaiky vahoaka» itony satria mba azo atao koa eto ny hoe ««Expert» manakaiky vahoaka» satria izahay tsy dia fantatry ny olona. Ny lalànanay dia tsy ahafahanay manao dokam-barotra. Manana birao eny Anosy dia ao amin’ny «Maison du droit et des professions judiciaires» izahay. Afaka manatona anay ao izay manana olana fa afaka mangataka amin’ny mpitsara koa nef aizy hoe mangataka «expert» izahay hanao ity zavatra ity. Miisa 23 ny fahaiza-manao na «spécialité» an’ireo hoe «expert» ireo. Isany ny «domanial» na resaka tany, ny «maritime» na ranomasina, ny «aviation» na sehatra ana habakabaka. Ny ahy izao soratra sy antotan-taratasy. Mbola misy koa ireo resaka teny vahiny, izany hoe, raha misy vahiny mandalo ao amin’ny tribonaly ka tsy mahay teny gasy na teny frantsay dia manana «expert» mandika izany izahay. Ny «expert» ao aminay ihany no itokisan’ny fitsaràna. Izay no mahatonga ny hoe misy teny ao, misy hatramin’ny hoe mekanika amin’ny fiara, ny resaka volamena. Tsy polisy siantifika ny CAREA. Ny polisy siantifika manao fikarohana amina fanadihadiana hampahazava ny toe-javatra iray any amin’ny toerana misy azy fa izahay indray manazava ny toe-javatra eo anatrehan’ny fitsaràna sy mpahailalàna, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique