Tsizarizary hoy izy fametrahana ny lamina nandritra ny fizarana fanomezana avy tamin'ny fanjakana foibe izay anjaran'ny zokiolona. Raha tsiahivina mantsy dia korontana no niafaran’izany fizarana fanampiana izany tao amin’ny CEG Ambohimandroso tamin’ny alatsinainy teo.Voalaza fa ny tompon’andraikitry ny mponina ao Mandritsara no nanomana ny lisitra ho an'ireo sojabe nisitraka fanampiana. Feno tsy fahatombanana anefa izany hoy ny vaovao. Lasa ireo tanora indray no nomena tapakila nentina naka ny anjara fanomezana raha efa vory lanona ireo zokiolona haka ny anjarany.Notsindrian’ny filohan’ny sojabe any an-toerana moa fa tompon'andraikitra feno ny delegen'ny mponina ao Mandritsara noho izy nizara tapakila ho an'ireo izay tsy tokony hisitraka izany.Fampitaovana maromaro moa no mbola mihitsoka ao amin'ny biraon'ny mponina any an-toerana amin’ izao izay mbola hozaraina amin'ireo zokiolona. Mitaky ny hanaovana mangarahara amin'ny fizarana izany ny filohan’ny Sojabe nasionaly Randriamihary Luc.
Nangonin’i Pati