airtel

Sosialy

22-déc-2022

Sosialy

Hetsika “Vary Tsinjo M'fety” Amidy 650Ar ny kapoaka ho fitsinjovana ny mpanjifa

Sample post image

Nanapa-kevitra ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa ho tanterahina miaraka amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny Hetsika “Vary Tsinjo M'fety

22-déc-2022

anatin’izao volon’andro fety izao. Alasora By Pass, Ambohidahy Ankadindramamy, Manjakaray. Ireo no toerana nanombohana ny fanaterana ny Vary Tsinjo amidy amin’ny 650 Ar ny kapoaka omaly. Misy peta-drindrina famantarana ireo mpivarotra mpaninjara miara-miasa amin’ny fivarotana Nilaza ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa, Andriamadison Haingo fa tsy mitsahatra manara-maso ny vidin’entana sy ny kalitaon’ny entana amidy ny Ministera. Nentaniny ny mpivarotra tsy ho alaim-panahy hanararaotra, noho ny fitomboan’ny fanjifana, amin’izao fety izao. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra koa, indrindra ny mpanjifa, ihany koa ny ministera hahasahy hitoroka raha misy ny tsy fanarahan-dalàna mety hanohintohina ny fahafahany misitraka ny zony, na amin’ny lafiny fampiakarana tsy ara-drariny ny vidin’entana na tsy fanajana ny kalitao. Tsikaritra ny fihenam-bidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro sasany amin’izao fotoana izao. Nahitana fidinany, ohatra, ny menaka soja mihidy. Raha 9500 Ar ny tavoahangy 1 litatra teo aloha dia lasa 9200 Ar izany ankehitriny.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

28-sept-2023

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na

Card image cap
28-sept-2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

Card image cap