airtel

Sosialy

09-mai-2025

IDH, tondro momba fivoaran’ny maha-olona

Faha-11 fadiranovana ny Gasy, lany henatra ny mpitondra

Sample post image

Navoakan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD)

09-mai-2025

tamin’ity herinandro ity ny tatitra 2025 momba ny Fampandrosoana Maha-olona (IDH). Nibaribary, fa ambany hatrany ny fari-pandrosoana eto Madagasikara, izay zara raha nahazo isa 0,487 tamin’ny taona 2023. Izany isa izany no nametraka an’i Madagasikara ho laharana faha-183 amin’ireo firenena sy faritra 193, ary ho firenen’ny faha-11 ambany indrindra eran-tany amin’ny fampandrosoana ny maha olona. Tafiditra anaty lisitra mitovy amin’ny an’i Yemen, Sierra Leone, Burkina Faso, Burundi, Mali, Niger, Tchad, Centrafrique, Somalia, ary Sudan du Sud i Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny PNUD, ny IDH dia mamaritra ny haavon’ny fandrosoana maharitra eo amin’ny firenena amin’ny alalan’ny mason-tsivana telo: ny androm-piainana, ny haavon’ny fanabeazana, ary ny fari-piainana ara-toekarena. Nandritra ny 24 taona farany, nisy fandrosoana voamarika: nitombo 6,2 taona ny androm-piainana, nahatratra 63,63 taona tamin’ny 2023. Niakatra 1,41 taona ny fanantenana hahazo fianarana, ary 0,82 taona ny salan’isa tena niatrehana fianarana. Na izany aza anefa, nihena 1,1 % ny harinkarena faobe isaky ny olona (RNB/hab.) na « revenu national brut », manamarika fahaverezan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano Malagasy. Mampibaribary hatrany aloha ny tarehimarika sy ny filaharana, fa tsy mitsahatra ny miha mitotongana ny Firenena. Anisan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana, saingy ireny efa niaraha-naheno ireny ny fanaboriboriana resaka nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, nandritra ny fivorian’ny COI teto ny aprily teo, fa « Tsy mitovy ny mari-pandrefesana (baromètre) ka izany no ilazako amin’ny Malagasy afaka miaina sambatra foana isika na dia tsy mitovy amin’izay refy teren’ny hafa apetraka amintsika. Noho izany, azo antoka, aty Madagasikara, miaina izahay. » Teo ilay nilazana fa 100 dolara dia mahasambatra ny olona any ambanivohitra raha mahazo an’izany. Tsy dia atao mahagaga raha nosokajian’ny vahiny ho « sans qualité » ary mbola betsaka ny endrika maneho izany mandrak’ankehitriny, fa ny porofo mivaingana tsy azo ialana dia ny fahapotehan’ny Firenena niainga ny 2009. Firy taona tsy hita izay nafitsoka kanefa mbola sahy milaza hoe : « calme ianareo fa tsy ataoko mahantra intsony », « tsy miandry fahavitan’ny taom-piasana fa amin’ny herintaona dia ho hitanareo ny fiovana »,… Fa inona loatra ny fiheverany ny Malagasy e ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

09-mai-2025

Mitombo hatrany ny fidangan’ny vidim-piainana (inflation) teto Madagasikara raha

Card image cap
09-mai-2025

Tsy mitovy ny Base Toliara sy Soamahamanina, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho

Card image cap
09-mai-2025

Navoitran’ny tatitra 2025 teo anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny

Card image cap