Variana amin'ilay jiro isika, hoy ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha, Miary Rasolofoarijaona, izay tena mbola tapaka lava sady ela. Ny fanazavana izay terena ho eken'ny malagasy, hoy izy, dia ilay zavatra simba ao Andekaleka sy ny filazana fa nanao ny tsy nety ny mpitondra rehetra teo aloha. Fa tena mahagaga ny resaka rano. Tao anatin'ny herinandro izao dia zara raha mandeha nefa isika aza tondra-drano. Dia hanome fanazavana indray zao zareo dia heveriny fa tsy maintsy manaiky isika fa tsy ilay olana no vahany. Faly manome fanazavana ny mpitondra amin'izao fotoana fa tsy mamaha ilay olana, hoy hatrany ny tenany, mikasika ity resaka JIRAMA ity.
J. Mirija
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.