airtel

Sosialy

12-juil-2022

Sosialy

Jean Jacques Ratsietison “Efa tena famonoan’olona izao’’

Sample post image

Miakatra ny sandam-bola dia miakatra daholo ny vidin’entana, hoy ny mpahaitoekarena, Jean Jacques Ratsietison. Rehefa miakatra koa ny lasantsy dia vao mainka miakatra ny vidin’entana,

12-juil-2022

hoy izy. Mbola hiakatra izany io vidin’entana efa tsy zakan’ny olona io dia ahoana ny fitondram-panjakana amin’izany? 110 sy 120 dolara no fototry ny vidin-tsolika eto fa averiko foana. Vidiny iraisampirenena tamin’ny 2012 hatramin’ny 2014. 3370 Ariary tamin’izany ny litatry ny lasantsy. 2015 io nidina 40 dolara, izany hoe nidina tamin’ny ampahatelony, fa mbola niakatra 3560 Ariary ny antsika. Avy aiza ny rafi-bidy na “structure de prix” mahatonga io 4900 sy 5900 Ariary io fa vonona hanao fitsirihana aho. Omeo alalana aho fa mpanao izany eo amin’ny sehatra iraisampirenena na “audit international” no asako. Omeo alalana aho raha tsy hainareo ny manao azy fa aza mamahan-dalitra ny malagasy. Famonoan’olona izao. Ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao efa tsy tantin’ny olona dia mbola ampian’io lasantsy miakatra io. Mila raisina tsirairay ny fanazavana fa tsy mitombona raha fanazavana faobe toy ny nataon’ny minisitera. Ohatrinona no andraisana azy any am-potony? Tsy misy idiran’ny lalana io fa rehefa tonga io dia ao Toamasina. Tamin’izany nolazaina fa mbola mandoa trosa ny fanjakana. Aleo tsirihako, hoy aho. Mbola hiakatra indray ny vidim-piainana ary mbola tsy hiodina ny toekarena satria ny mampiodina azy dia ny ambim-bava avy amin’ireo olona niasa. Rehefa tsy misy ambim-bava izy dia tsy afaka mividy afa-tsy sakafo dia tapitra. Voaporofo izany izao. 28 tapitrisa isika. Raha misy olona manam-bola afaka manao trano na misy malagasy manana orinasa mpanao trano dia tsy tokony hihodina ve izany ? Tsy mila FMI sy banky iraisampirenena izany fa mila olona manana fahefa-mividy, hoy hatrany ity mpahaitoekarena ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap