airtel

Sosialy

04-mars-2021

Sosialy

Jean Nirina – FITRAMA Miantso ny rehetra tsy hihinana sakafo misy akora simika

Sample post image

Be dia be ny aretina mahazo ny Malagasy amin’izao raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny

04-mars-2021

 

 

 orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra ny valan’aretina Covid 19 hoy izy dia mahazo vahana koa ny diabeta, ny fo izay miteraka fivontosana, ny romatisma, ny prostaty…. Amin’ny ankapobeny anefa hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia vokatry ny sakafo hanina avokoa no mahatonga ireny karazan’aretina ireny. Anisan’ireny ny sakafo matsiro indrindra fa ny fihinanana ireo karazan-tsakafo feno akora simika. Miantso ny rehetra mba hanjifa sy hihinana ny sakafo tena natoraly araka izany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Na salama aza ny olona iray raha araka ny fanazavany dia tokony hihinana tantely sy soja hatrany hampiakarana ny hery fiarovana sy ho fitandroana ny fahasalamana. Misy hifandraisany betsaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny fahasalamana hoy hatrany izy. Rehefa voaaro mantsy ny ala sy ireo zava-manan’aina mivelona ao anatiny dia manan-karena zava-maniry isika hahafahana mitsabo ireo karazan’aretina maro samihafa. Nomarihiny manokana moa fa amin’ny alalan’ny zava-maniry sy ny otra no hitsaboan’izy ireo ka ho an’ity farany dia ny menak’omby sy ny sakamalaho no tena hampiasainy.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap