airtel

Sosialy

01-juil-2021

Sosialy

JIRAMA Fantsona 1343 m no hosoloina eny amin’ny La Haute ville

Sample post image

Anatin’ny fanamby napetraky ny JIRAMA mandritra ity 45 taona manaraka ny hanavao ny foto-drafitr’asa rehetra izay manavesatra sy tsy mahatomombana ny tolotra ho an’ny mpanjifa.

01-juil-2021

 

 

 Anisan’izany ny fanoloana ireo fantsona izay efa tena antitra. Omaly dia efa nanomboka asa goavana ny orinasa. Fanoloana fantsona mirefy 1343 metatra eny amin’ny faritra tanàna ambony (La Haute Ville), izay manomboka eny Andohalo, miazo an’Ankazotokana ka hatrany Ambanidia no nisantarana izany. Haharitra roa volana ny asa fanamboarana. Hisy araka izany ny fandaminana ny fifamoivoizana izay iaraha-miasa miaraka amin’ny CUA sy ny mpitandro filaminana. Izany asa rehetra izany dia mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny famatsiana rano eny amin’ireo faritra ireo sy ny manodidina mandritra ny ora vitsy rehefa manomboka ny famindrana sy fanoloana fantsona vaovao. Izao no natao dia ny hamahana ny olan’ny famatsiana rano eny amin’iny faritra iny sy hanatsarana ny tosika ary hampihenana ihany koa ny fahaverezan-drano. Etsy ankilan’izay dia efa miroso tsikelikely amin’ny fitsinjarana rano eny anivon’ny tambazotra ny toby famokarana sy famatsian-drano vaovao Mandroseza II. Manoloana ny fanavaozana ireo fantsona dia mirefy mihoatra ny 15 km no efa voasolon’ny orinasa Jirama. Hitohy izany asa izany mba hahatrarana ny tanjona dia ny fanavaozana fantsona mirefy 90km ato anatin’ny faritra Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ho amin’ity andiany voalohany ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap