airtel

Sosialy

26-oct-2021

Sosialy

JIRAMA Manavao sy manatsara foto-drafitrasa iombonana

Sample post image

Mihaino ny mpanjifa dia miroso avy hatrany amin'ny asa fanavaozana sy fanatsaràna ary fanitarana fantsona ny orinasa JIRAMA toy izay notanterahina teny Ankorondrano Andrefana

26-oct-2021

.Paompin-drano miisa telo sy toeram-panasan-damba miisa roa no nohatsaraina ny famatsian-drano ka fantsona maherin'ny 800m no nosoloina. Nijery ny vokatry ny asa teny an-toerana, omaly ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Rakotondrazaka Ladislas Adrien, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Ramaroson Andry, izay Minisitra mpiahy ny orinasa. Tokantrano 2000 tafo eny Ankorondrano Andrefana sy ireo fokontany telo manodidina no misitraka ity asa ity, izay efa fanaon'ny JIRAMA isan-taona ka tamin'ity taona ity dia fokontany miisa fito no efa nisitraka izany toy ny eny Amboatavo ambavahaditokana sy Ankadikely Ilafy.Mbola maro ihany koa ireo tetikasa hotanterahina eto an-drenivohitra amin'ity taona ity toy ny biraom-pokontany eny Mahazo, ny toeram-pilalaovana baolina kitra eny Ankadikely. Hiaraha-manatanteraka amin’ny tetikasa WSUP Moa ny paompin-drano, ny toeram-panasan-damba, toeram-pidiovana sy fivoahana raha tsiahivina.
Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap