airtel

Sosialy

16-mai-2022

Sosialy

JIRAMA - Mandroseza II Nikatso ny paompy mpampiakatra rano

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny fikorontanan’ny famatsiana rano amina faritra maromaro eto an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA omaly, tranga izay tena mampikolay ny mpanjifa. Nambaran’iretsy voalohany fa vokatry ny

16-mai-2022

fikatsoan'ny paompy mpampiakatra rano ao Mandroseza II, no antony mahatonga izany. Ho an’ny eto an-drenivohitra ohatra dia anisan’ny voakasika ny ao Fiadanana, Anosy Carlton, Ampefiloha, Isoraka, Isotry, Anosibe, Andavamamba, Andohatampenaka, 67ha , Antohomadinika, Andraharo Galaxy, Antanimena , Ankadifotsy, Ankorondrano, Ivandry , Analamahitsy, Alarobia ary Soavimasoandro. Toerana am-polony no voakasin’izany izay nampitaraina mpanjifa maro nefa ny faktioran’ny JIRAMA eo an-daniny midangana hatrany. Ho an’iny faritra Atsimondrano iny dia fantatra fa lasa miloko mavo sy mitady hisy fofona mihitsy ilay rano toy ny teny Ampitatafika, Anosizato, Antandrokomby…. raha araka ny loharanom-baovao azo. Efa am-perin’asa manarina io paompy io ny teknisiana hatramin’ny omaly koa raha vantany vao vita izany dia fantatra fa hiverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha ny famatsiana ilay rano.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny asa fanamboarana
 

 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap