airtel

Sosialy

09-juil-2021

Sosialy

JIRAMA Ny faktiora lazaina fa mihena, ny delestazy mitohy ihany

Sample post image

Mizara efatra ny “tarif” an’ny Jirama manomboka izao noho ny fametrahana ny “OPTIMA”: social - économique - confort - super confort, ka ny mpanjifa no misafidy ny tolotra mety aminy,

09-juil-2021

 hoy io orinasam-panjakana io. 90%-n'ny mpanjifa no hihena ny faktiorany. Hitovy avokoa ny vidin-jiro manerana ny Nosy raha avo telo heny an'ny vidin-jiro tamin'ny Tambazotra Iraisana Antananarivo ny tany amin'ny faritra teo aloha, hoy ny fanamafisana. Afaka manamafy ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ny JIRAMA. Izao no natao dia ny mba hametrahana ny mpanjifa ho tena laharam-pahamehana, hoy hatrany ny fanomezan-toky. Etsy ankilany, mitohy saika isan’andro ny fahatapahana, ary mahita fanazavana holazaina hatrany ny Jirama. Iaraha-mahita sy mahalala, fa tsy ampy sy tsy mahasahana ny filàn’ny olona sy ny tokantrano izay mitombo isa kosa ny tolotra amin’ny famokarana angovo. Tetikasa goavana nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina izay nenjehina fatratra ny fananganana toby lehibe mpihary herinaratra any Farahantsana. Voalaza moa fa tara ny fahavitan’ny asa fa mbola tsy vonona daholo ireo andry na “pylones” hitondra ny tarobia mpitondra herinaratra. Tokony hihazakazaka amin’ny famitana izay tsy vita ny Fanjakana ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap