airtel

Sosialy

18-oct-2021

Sosialy

Jiro sy rano Hiverina haka “Index” ny Jirama

Sample post image

Teboka maromaro no nambaran'ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, Radanielina Rivo, ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fidinana ifotony teny amin'ny masoivohon'ny JIRAMA Ambatonakanga

18-oct-2021

, izay notronin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Ramaroson Andry ary ireo mpikambana eo anivon'ny Filankevim-pitantanan'ny orinasa. Nambara tamin’izany, fa haverina ny fakàna mariky ny fandaniana (Index) any an-tokantrano fa afaka manohy ny "auto-relevé" ihany koa ny mpanjifa. Nomarihiny kosa fa ny fandaniana volana novambra no ho voakasik'io fanapahan-kevitra io. Hojerena akaiky ny faktioran'ny mpanjifa hahitàna fiakarana mihoatra ny 50%. Hisy ny kioska eny amin'ny masoivohon'ny JIRAMA hijery akaiky ireo faktiora ireo. Hovitaina hatramin'ny faran'ny taona ireo vary mangatsiaka amin'ny fampidirana jiro sy rano izany hoe ny “Branchements” rehetra efa nandoavana “devis” dia tsy maintsy ho vitaina amin'ity taona ity, araka ny fampanantenana. Harotsaka anaty tambazotra mpitsinjara rano amin'ity taona ity ihany koa ny vokatra 40 000 m³ isan'andro avy amin'ilay toby vaovao Mandroseza II. Hovitaina ihany koa ireo fanadiovan-drano amin'ny kaontenera (UTC) hamahana ny olana eto Antananarivo sy ny manodidina. Raha tsiahivina dia tsy ampy 100.000 m³ ny tahan'ny filàna eto an-dRenivohitra. Hovahana ny olan'ny rano amin'ny faritra hafa, ka hanombohana azy dia hohamafisina ny fantsona fitarihan-drano toy ny any Mahajanga sy Antsiranana. Hohamafisina sy hatsaraina ny tambazotra mpitsinjara herinaratra, ka voafaritra ao anatin’izany ny: fanohizana ny fanamafisana sy fanatsarana ny tambajotra mpitondra herinaratra; fanohizana ny tetikasa "Branchement Mora"; fametrahana ny hazavàna an-dalam-be manerana ny distrika; "JIRO HO ANAO" , tetikasa vaovao, izay miompana amin'ny fizarana "kits solaire" amin'ireo faritra tsy mbola ahitàna tambazotran'ny JIRAMA ka any Katsepy sy Tsihombe no hanombohana izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ity orinasa ity.

Toky R

1

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap