airtel

Sosialy

15-avril-2024

Kambana miraikitra tokony hodidiana

Miantso tolo-tànana avy amin’ny Fanjakana

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

15-avril-2024

Renim-pianakaviana iray vao 30 taona monja no fantatra fa niteraka zazavavy kely kambana nefa miraikitra ny kibony. Tao amina hôpitaly tsy miankina iray tao Ampanefena ireo zaza ireo no teraka izany hoe : samy manana ny lohany saingy mikambana manomboka eo amin’ny tratrany ary mifarana eo amin’ny valahiny izany. Tokony halefa eto Antananarivo hanaovana ny fandidiana moa ireto zaza ireto nefa tsy misy ny enti-manana amin'izany.Tsy mbola nisy Fanjakana na solontena nanampy ny Ray aman-dRenin' ireo zaza ireo rahateo raha ny vaovao azo hatramin’ny omaly Alahady 14 Aprily, fotoana nanoratanay. Tsy vao sambany moa raha tsiahivina no nisy tranga tahaka izao teto amintsika. Anisan’ny lohalaharana niaina izany i Mahagaga sy Mahalatsa izay efa manodidina ny 12 taona eo ho eo ankehitriny. Nentina nodidiana teto Antananarivo izy roalahy kely ka rehefa tsara karakara niaraka tamin-dReniny dia nisaraka soa aman-tsara ny vatany ary afaka niaina tahaka ny olon-drehetra izy. Hetahetan’ny Renin’izy mirahavavy kely miraikitra kibo ireto araka izany ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana azy ireo.
Pati
Legende : Ireo zaza mikamban-kibo sy ny Reniny !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap