airtel

Sosialy

17-janv-2023

Sosialy

Kaominina Alasora Mamaimpoana ny fanamboarana kopia fohy

Sample post image

Ao anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy hiatrehana ny fanadinam-panjakana mihitsy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy sy fahasivy amin’izao.

17-janv-2023

Hanomboka ny 23 janoary ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, raha tsiahivina. Manoloana izany indrindra dia maimaimpoana ny fanamboarana bulletin de naissance na kopia mari-pahaterahana fohy ao amin’ny kaominina Alasora. Ho an’ireo mpianatra ao amin’ny faritra iadidiany ihany no misitraka izany ka ireo sekoly mihitsy no mandefa ny lisitr’ireo mpianatra mila izany any amin’ny kaominina hisorohana ny mety ho fanararaotana. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy dia hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny no tanjona. Ho an’ireo mpianatra tsy mianatra ao Alasora kosa saingy monina ao an-toerana nefa mila izany dia azon’izy ireny hatao avy hatrany ny manatona ny kaominina hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity. Fa ankoatra izay dia efa vita ao anatin’ny 5 ka hatramin’ny 10 minitra ihany koa amin’izao ny kopia iray ao amin’ny kaominina Alasora ho an’ireo izay mila izany. Noho ny fananan’ny kaominina ilay logiciel vaovao manara-penitra mifanaraka amin’izany no hahafahan’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany manatanteraka izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny kaominina avokoa moa izany rehetra izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna entina hanomezana fahafaham-po ny mponina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap