airtel

Sosialy

06-avril-2022

Sosialy

Kaominina Alasora Mitohy ny fametrahana jiro isam-pokontany

Sample post image

Laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Lohalaharana amin’izany ny fametrahana jiro hazava ny tanàna.

06-avril-2022

 Tetikasa haharitra 2 taona izy ity ka jiro an-jatony no hapetraka amin’ireo Fokontany miisa 20. Ho an’ny Fokontany Miadana, Ampahibato ary Ambodivondava dia ny jiron’ny JIRAMA no hapetraka amin’izany raha misy ihany koa ireo karazana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy. Mbola hisy ihany koa ilay tetikasa hiarahana amin’ny AFD na ny Agence Française de developpement ka lelavola maro no hatontona amin’izany. Tetikasa lalankely indray izy io izay hametrahana jiro miisa 623 ao Alasora, asa hotanterahina amin’ity taona 2022 ity avokoa ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fiarovana ireo foto-drafitrasa iombonana. Mikasika ireo vy niarovana ny zaridainan’i Mandikanamana izay nisy nangalatra moa dia fantatra fa efa miara-miasa akaiky amin’ny polisy sy ny zandary ny kaominina hahafahana misambotra ireo olon-dratsy.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap