airtel

Sosialy

05-sept-2022

Sosialy

Kaominina Alasora Nisitraka kidoro sy panier garni ireo sefom-pokontany

Sample post image

Miezaka manao izay tratrany ny kaominina Alasora tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny fikambanam-behivavy Porte Bonheur entina hanampiana ireo mpiara-belona aminy.

05-sept-2022

Nanampy sy nanohana ireo sefom-pokontany am-polony ao amin’ny faritra iadidiany indray ny roa tonta ho famporisihina azy ireo hanao tsara ny asany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana porte Bonheur sy ny kaominina ary ny epsilon Madagascar no angady nanana sy vy nahitana izany. Tsiahivina tokoa moa fa ny sefom-pokontany no anisan’ny tena hivesaran’ny asa indrindra ho an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ka mendrika ny hotohanana tahaka izao. Izy ireo avokoa mantsy no mandamina ireo olana eny anivon’ny fiaraha-monina toy ny adin’ny mpivady, ny tsy fifanarahan’ny mpiara-monina, ireo mpanakorontana amin’ny alina…Ny mampalahelo anefa dia tsy mandray afa-tsy 20.000 Ar isam-bolana izy ireny izay tena kely tokoa raha oharina amin’ny asa hatrehiny isan’andro.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap