Ankoatra ny Fokontanin’i Mahitsy izay efa 3 taona tsy nisy rano nitete intsony manerana ireo paompin-drano nefa tsy maintsy aloha isam-bolana ny faktioran’ny JIRAMA dia anisan’ny tena miaina fangirifiriana ao anatin’izany ny ao Alasora tampon-tanana, ny Fokontany Miadana, ny ao Ambohimahitsy… Ireo rano amin’ny kamiao lehibe izay vahaolana vonjimaika no mba hany hiainan’ny mponina hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Ho an’ireo tsy maintsy mandeha mamonjy asa isa-maraina ary ny hariva vao miverina mody dia tsy mba afaka milaha-drano izy ireny. Tsy maintsy miaina ilay vidin-drano 1.500 Ar ny iray bidon miloko mavo vao tonga any an-tokantranony isan’andro raha 50 Ar no hamarotan’ny kaominina azy. Tsy mahagaga io vidin-drano io hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Avy any ambany mantsy no mitatitra ny rano mitety tanana ireo mpikarama, asa tena mafibe tokoa, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao. Miantso ny mpitondra fanjakana sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA araka izany ity Ben’ny tanana ity. Nahitsy izy nilaza fa raha tapaka tsotra ny rano dia miverina avy eo tsy olana. Ny tena mampalahelo anefa hoy izy dia tsy izay no zava-mitranga ety Alasora fa ny orinasa JIRAMA mihitsy no tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany sy ny fampanantenana nataony. Alainy ny volan’olona hoy izy dia hapetany ny fantson-drano hampidirana rano ho an’ireo mangataka izany nefa ilay famatsiana tsy araka ny tokony ho izy akory. Ireo faritra ambany ihany no misitraka rano hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity fa ireo faritra ambony dia tena mihahaka tanteraka tsy misy mpiahy toy ny zanak’ikala hafa.
Pati
Legende : Tena mangidy ny fitadiavana rano ety Alasora !
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.