airtel

Sosialy

29-août-2024

KAOMININA AMBAVAHADITOKANA

Ankizy 150 isa nomena kopia mari-pahaterahana

Sample post image

Ankizy miisa 150 no notoloran’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano kopia

29-août-2024

mari-pahaterahana omaly Alarobia 28 Aogositra. Manodidina ny 3 sy 4 taona ny ankamaroan’izy ireo izay nambaran’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis fa zaza teraka nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika. Saika natahotra ny fisian’io aretina io avokoa mantsy ny ankamaroan’ny vehivavy ka naleon’ireto farany niteraka tany an-tokantranony niantso Renin-jaza. Olana hatrany anefa no aterak’izany raha araka ny fanazavany toy ny tsy fananan’ny ankizy kopia mari-pahaterahana ka tsy hahafahany mandia ny varavaran-tsekoly izay zo fototra tokony hositrahany voalohany….Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Fikambanana Koloaina moa no angady nanana sy vy nahitana izany. Aorian’ity hetsika ity moa dia fantatra fa hiroso amin’ny fanaovana fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo mpivady mbola tsy vita soratra rehetra ao aminy ny kaominina Ambavahaditokana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ilay kopia mari-pahaterahana !

 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Vahiny manokan’ny fandaharana Bemiray eo anivon’ny onjam-peo Top Radio FM 102.8

Card image cap
02-juin-2025

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny tsangambaton’ny FISEMARE na Firaisamben’ny

Card image cap