airtel

Sosialy

11-juil-2022

Sosialy

Kaominina Ambohibao Antehiroka Zazalahy kely an-jatony no vita famorana faobe

Sample post image

Zazalahy kely an-jatony no noforaina maimaimpoana ny faran’ny herinandro teo teny Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.

11-juil-2022

Ireo dokotera avy ao amin’ny klinika Balsama no nanatontosa ny fandidiana, noho ny ezaka nataon’ny Ben’ny tanàna Atoa Lalaina Vatosoa. Ankoatra ny famorana izay marihina fa efa mahatratra 150.000 Ar ny tsy mandeha ra sy tsy milahatra ny manao azy amin’izao eny anivon’ireo ivon-toerana tsy miankina ireny raha aloha vola dia mbola notoloran’ny Ben’ny tanàna kilalao ihany koa ireto kilonga madinika ireto. Avy amin’ireo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina moa izy ireo raha tsiahivina. Mbola tafiditra ao anatin’izay asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona izay ihany dia fantatra fa hanolotra fitaterana maimaim-poana ho an’ireo mpiadina rehetra hiatrika ny fanadinana Bakalorea ao aminy ihany koa ity Ben’ny tanàna ity. Mandritra ny 4 andro no hanatanterahany izany, mandroso sy miverina ho fanalana fahasahiranana ireo Ray aman-dReny. Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny mantsy no tsy manana teti-bola manokana mba handehanan-janany fiara karetsaka mandritra ireo 4 andro ireo fa tsy maintsy ny sakafo atoandro aloha no laharam-pahamehana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap