Taorian’ny nametrahana ilay sehatra maitso izay toerana hanehoana sy hifanakalozana hevitra eo amin’ny samy fokonolona mantsy dia nanjary nazoto nihaona sy nitafa ireto farany ka namboraka izay tena maharary azy isam-pokontany. Ankoatra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia fantatra fa namoaka izay tetikasa maika ho an’ny vahoaka isan-tanana koa izy ireo, fampianarana nampitain’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy taorian’ny nandalovany tany an-toerana. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity hatrany dia nisy tamin’ireo Fokontany no nangataka ny hanaovana rarivato ny lalana ao amin’ny faritra misy azy. Nisy koa ireo nangataka toho-drano…. Farany izay tsy kely akory dia fantatra fa hametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina, ezaka hataon’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany madiodio.
Pati
Legende : Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Sud
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.