Ho ampian'ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan'Atsimondrano ireo Ray aman-dReny tsy mañana fahafahana ny hampiana-janaka ao aminy. Nandritra ny fanentanana nataon'ny Ben'ny tanana Mihary Andriantsilavo ireo Ray aman-dReny manan-janaka tokony mbola hianatra ao aminy no nahafantarana izany. Ny fianarana no lova tsara indrindra hoy izy koa aza hatao ambanin-javatra ny fianaran'ny zanatsika. Miantso ny rehetra mba hampiditra ny zanany any an-tsekoly noho izany ity Ben'ny tanana iray ity. Efa misokatra hoy izy ny sekoly ambaratonga fototra rehetra ao anatin'ireo Fokontany miisa 4. Mbola mandray mpianatra ihany koa ny Ceg Ambohidrapeto. Notsiahiviny manokana fa tsy mena-mitaha amin'ny hafa ny kalitaon'ny fampianarana eny anivon'ny sekolim-panjakana. Toraka izany koa ny resaka foto-drafitrasa. Afaka manatona ny kaominina araka izany ireo Ray aman-dReny tsy manana fahafahana ny hampiditra ny zanany mba hahazo ilay fanampiana.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo sekoly ambaratonga fototra afaka mandray mpianatra ao Ambohidrapeto !