airtel

Sosialy

08-août-2023

Sosialy

KAOMININA AMBOHIDRAPETO Mandoa 10.000 Ar izay tratra manary fako eny an-dalana

Sample post image

Hentitra ny fitandroana ny fahadiovana ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

08-août-2023

Be loatra mantsy ireo fako miparitaka etsy sy eroa na dia efa manao izay ho afany aza ireo mpanadio tanana eo anivon’ny kaominina ka tsy maintsy nandraisana fepetra manokana. Fantatra ary fa voasazy mandoa 10.000 izay olona rehetra tratra manary fako eny an-dalana. Tsy hanavahana izany na taratasy fonona mofo, ny “sachet” plastika fonona bisikoitra na hodim-boanjo. Ny hitaizana ny olona hahalala fahadiovana no tanjona fa tsy hiaina lava anaty gaboraraka indrindra fa rehefa mivahiny any amin’ny tananan’olon-kafa. Ho an’ireo mpanary ny fako avy ao an-tokantrano dia tsara hatrany ny mampahatsiahy fa manomboka amin’ny 05 ora maraina isan’andro eny amin’iny faritra Ambohidrapeto sy Andranonahoatra iny dia efa misy olona avy amin’ny Fokontany maka ny fakon’ny isan-tokantrano. Maharitra ora roa eo na telo no hanaovany izany ka tsy tokony hisy intsony ny fanariana fako etsy sy eroa eny amin’ny lalam-bahoaka. Rehefa tsy mandoto mantsy dia efa naman’ny manadio ihany. Tsiahivina fa miteraka aretina maro ny fiparitahan’ny loto toy ny aretin’ny taovam-pisefoana…. Pati
Legende : Tanana madio lavitry ny loto tahaka izao no tanjona !

 

Dans la même rubrique

14-janv-2025

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana

Card image cap
14-janv-2025

Vary mitentim-bidy 300 tapitrisa Yen any ho any izay hampiasaina amin'ny fanohanana ny tsena misy

Card image cap