tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Sosialy

Kaominina Ampitatafika Tanimbary 843 ha no tsy azo hambolena intsony

Tsy dia niakatra loatra ny reniranon’i Sisaony mandalo ao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tamin’ity taona 2023 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.

24-janv-2023

Sample post image

Tsy mbola misy araka izany ireo traboina hatreto fa mbola afaka miaina any an-tokantranony avokoa ireo mponina monina amin’ny faritra iva. Tanimbary mirefy 843 ha any amin’ny tapany atsinanan’ity kaominina iray ity kosa anefa no tsy azo hambolena intsony ka nahafaty ny 90%-n’ireo vokatra tokony hiakatra. Noho ny fisian’ilay fefiloha mirefy 100 metatra manakaiky ny kaominina Soavina sy Ampanefy izay vaky tamin’ny taon-dasa no mahatonga izany ka nampizara roa ny lalan-drano.Tsy manana teti-bola hanamboarana azy io mantsy ny kaominina na dia fanirian’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina sy ny ekipany fatratra aza ny hamadihana izany ho lalana hitsahin’ny fiara mba hahamafy ilay foto-drafitrasa ka tsy hihotsahany intsony. Tanimbary mirefy 200 ha ao Ambodizozoro sy Soavimbahoaka sisa araka izany no afaka mamokatra ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina moa fa ny mpamatsy vola hamatsy azy ireo no olana hatreto. Anisan’ny tena nanimba ny kolontsaina eto amintsika rahateo hoy izy ny fisian’ilay HIMO ka tsy mety hifanome tanana intsony ny fokonolona raha tsy karamaina na dia asa tokony ho vita sy hitondra soa ho azy aza izany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany omaly

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Andavanandron’Antananarivo Jiro sy rano tsy tomombana, fifamoivoizana mitohana
08-juin-2023

Ny jiro sy rano, ny herinaratra sy ny rano moa izany no marimarina kokoa, efa tsy tomombana hatramin’izao,

Card image cap
Ambovombe Androy Maro ireo vehivavy tsy an’asa iharan’ny herisetra
08-juin-2023

Mbola marobe ireo vehivavy tsy an’asa ao Ambovombe Androy amin’izao.

Card image cap
Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona
07-juin-2023

Hamory ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mediatiora

Card image cap
Andranopasy - Manja Zazakely roa maty nihinana trondro Fano
07-juin-2023

Zazakely roa vao 17 volana sy 6 volana no indray namoy ny ainy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranopasy, distrikan’i Manja,

Voir plus