airtel

Sosialy

10-août-2021

Sosialy

Kaominina Betafo Mahomby ny fitantanana, voaloa ny karama nisavovona

Sample post image

Nivoaka ny karaman’ny mpiasa amam-bolana maro tao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Betafo. Tamin’ny herinandro lasa teo dia nandray karama volana maromaro ny mpiasan’ny Kaominina.

10-août-2021

Vita hatreto ny “arriéré” tamin’ny karama rehetra raha nisy 8 volana no novantanin’ny Ben’ny Tanana Livasoa Randriatahinamalala. Volana fabroary 2020 aho, hoy izy, no nandray ny fitantanana ny tanananay, aman-jatony tapitrisa ny trosan’ny Kaominina novantaniko, toy ny Karaman’ny mpiasa 8 volana, trosan’ny “imprimerie national” tena aman-taonany maro, ny an’ny Jirama ary misy “fournisseur” mbola tsy voaloa. Hatreto dia eo an-dalam-panarenana izahay ary vita ny “arriéré” ny karama hatreto, efa misy ampahany ny vita ny trosan’ny Imprimerie ary eo an-dalam-pamahana ny olan’ny fournisseur izahay amin’izao, hoy hatrany Atoa Livasoa Randriatahinamama. Tena lavaka be no novantaninay teto amin’ny Kaominina, hoy ny ben’ny Tanàna, ary tena saika kivy ny tena kanefa ho ariana amin’iza ary ny tanindrazana? Miarin-doha hatreto ny kaominina ary ny paik’ady tamin’izany dia ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana ka nahavitanay nitrandraka ireo loharanom-bola voalazan’ny lal0na fa azo trandrahan’ny Kaominina, hoy ity olom-boafidy vao erotrerony ity. Nomarihin’ny Ben’ny Livasoa fa ny fametrahana ny “banderole” na sora-baventy fitakina karama tamin’ny volana Martsa dia tsy hoe akory ny Kaominina no tsy nanam-bola fa ny “procedure” na dingana amin’ny famoaham-bola no tena mananosarotra ary tsy hanomezana tsiny an’iza n’iza izany. Teo ihany koa anefa ny ambadika politika izay natao mba hanolona ho PDS ity mpitantana ity satria dia mahazo fandrahoanana matetika amin’izany ity olom-boafidy tanora mandray andraikitra ity.

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap