airtel

Sosialy

07-déc-2022

Sosialy

Kaominina Talatamaty Hahazo fanampiana ireo zokiolona sy sahirana

Sample post image

Andro vitsivitsy maromaro sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona isika.

07-déc-2022

Betsaka anefa ireo tsy mba afaka mitsena izany amim-pifaliana noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny fahasahiranana. Ho an’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo dia fantatra fa hijery manokana sy hitsinjo ireo sahirana manerana ny Fokontany 12 ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic sy ny ekipany. Hisy ny fizarana fotsim-bary, menaka, paty, siramamy ho an’ireo sahirana. An-jatony ireo hisitraka izany. Toraka izany ihany koa ireo zokiolona izay fantatra fa hatolorana solombodiakoho. Manodidina ny 50 isam-pokontany eo ho eo izy ireo no hisitraka izany, indrindra fa ireo mihoatra ny 65 taona rehetra. Ho an’ity farany manokana moa dia nomarihin’ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty fa ireo mbola tsy nisitraka solombodiakoho tamin’ny fetin’ny 26 Jona no hahazo izany indray. Hampifandimbiasina ny fizarana fanampiana hoy izy mba samy hahazo tombontsoa avokoa ny rehetra.
Pati
Legende : Mahatsiaro hatrany ireo zokiolona sy sahirana i Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap