airtel

Sosialy

28-déc-2021

Sosialy

KAOMININA TALATAMATY Hizara fanampiana ho an’olona 2.000

Sample post image

sy ny faran’ny taon Hizara fanampiana ho an’olona 2.000 isa mahery ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo amin’ity herinandro ity noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noelya.

28-déc-2021

Ny 600 isa amin’ireo dia zokiolona sahirana avokoa notsongaina avy amin’ireo Fokontany miisa 12 raha sahirana ara-pivelomana kosa ny 1400 isa ambiny. Ankoatra ny fotsim-bary sy ny menaka dia hozaraina vatomamy sy bisikoitra ihany koa izy ireo ho fifanomezan-tanana amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominique fa hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao. Mikasika ny ady hatao amin’ny valan’aretina COVID 19 manokana dia fantatra fa tsy mitsahatra ny manentana ny mponina sy manao izay azony hatao ny kaominina Talatamaty. Anisan’ireny ny fanajana ny elanelana 1 metatra, ny fanaovana arovava orona ankoatra ny fanasan-tanana amin’ny savony izay hahafahana misoroka karazan’aretina betsaka toy ny gripa sy ny tazo mahery ary ny aretim-pivalalana.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominique, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty !
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap