airtel

Sosialy

24-juin-2024

KAOMININA TALATAMATY

Nojerena manokana ireo zokiolona

Sample post image

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy manadino ireo zokiolona sy sahirana ary olona manana

24-juin-2024

fahasembanana ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic amin’izao ankatoky ny Fetin’ny Asaramanitra izao. Miisa 2.500 izy ireo no nisitraka izany afak’omaly Sabotsy 22 Jona, hetsika notanterahina nanerana ireo Fokontany 12. Ankoatra ny vary, ny siramamy,ny vovon-tsavony, ny paty dia notolorana solom-bodiakoho ihany koa ireo zokiolona. Izany no natao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana dia ho tamberin'andraikitra ho an'ny vahoakan'ny Kaominina ary koa koa valim-babena ho an'ireo Ray aman-dReny nahitana masoandro. Natrehin’ireo mpanolontsain’ny tanana sy ireo mpiara-miasa rehetra ary ny sefom-pokontany moa ny hetsika, notarihin’ny Ben’ny tanana.
Pati
Legende : Fatra-panaja ny zokiolona ny Ben’ny tananan’i Talatamaty !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Maimaim-poana ny fahazoana rano fisotro madio eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano

Card image cap
21-oct-2024

Mahatratra 69% ny tahan’ny fahantrana maro lafy eto Madagasikara. Io no fahadimy ambony indrindra

Card image cap
21-oct-2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Card image cap