airtel

Sosialy

06-juil-2022

Sosialy

Kaominina Tanjombato Olona 600 no nozaraina kopia mari-pahaterahana

Sample post image

Olona miisa 600 avy amin’ireo Fokontany 5 ao anatin’ny Kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly no nozaraina kopia mari-pahaterahana maimaim-poana.

06-juil-2022

Vokatry ny ezaka nataon’ny kaominina, notohanan’ny mpiara-miombon'antoka dia ny OIF na ny organisation Internationale de la Francophonie no nahafahana nanatanteraka izany. Tanjona ny hahafahana manaja ny zon’ny tsirairay amin’ny maha-olombelona feno azy. Ny fananana kopia mari-pahaterahana ohatra dia tena antoka feno ho an'ny olona manomboka amin'ny fahazazany ka hahafahany mandia ny varavaran-tsekoly. Ny kopia ihany koa no hahafahany maka ny karam-panondro rehefa tonga eo amin’ny faha-18 taonany hahafahany manefa ny adidiny amin’ireo karazana fifidianana tanterahina eto amin’ny firenena. Hahafahan’ny olona iray miasa ihany koa ny fananany karapanondrom-pirenena.Kaominina maro eto amin’ny Faritra Analamanga moa no hanatanterahana izao hetsika izao. Ny OIF hatrany no hanohana sy hanampy amin’ny fanatanterahana izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny kopia omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap