airtel

Sosialy

14-mars-2022

Sosialy

Kaominin’Ambavahaditokana 80 190 000 ariary no atokan’ny fanjakana ho azy

Sample post image

Hatrany amin’ny 80.190.000 ariary no tetibola atokan’ny fanjakana Malagasy ho an’ny kaominin’Ambavahaditokana ho an’ity taona 2022 ity, raha ny voarakitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2022,

14-mars-2022

 hoy ny tatitry ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy, nandritry ny fitsidihany ny CEG Amboatavo, izay hany tokana ao amin’ity kaominina ity ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny ady atao eny amin’ny antenimieram-pirenena ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, hoy izy, no nahafahana nahazo izany famatsiam-bola izany mba hahafahana ihany koa manarina sy manangana ireo fotodrafitrasa ilaina anatina kaominina iray. Ity CEG ity izao, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Jean Louis Ratoetrarinianja, dia efa tery dia tery ka antony anaovana antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hijery ny azo atao hanampiana azy mba hahafahan’ny zaza Malagasy ho tafiditra anatina sekoly. Ohatrinona moa izao ny mampiditra zaza iray amina sekoly tsy miankina? Tsy ny ray aman-dreny rehetra no mahazaka izany raha mainka ka zaza miisa 3 ohatra. Ity misy ny CEG ity izao dia tanim-panjakana anaty velarantany 1700m2 ary azo anaovana foto-drafitrasa lehibe na mbola sekoly miisa 2 aza. Eo amin’ny 650 isa izao no mpianatra zaka ato ary amina efitrano fianarana miisa 7 nefa tokony hahatratra hatrany amin’ny 1500 any. Tsy manana Lisea I Ambavahaditokana. EPP miisa 4 anaty fokontany miisa 6 kosa no ato, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tananan’Ambavahaditokana
 

Dans la même rubrique