airtel

Sosialy

19-août-2021

Sosialy

Kaominin’Ampitatafika Mangataka fanamorana ny fidiran’ny mpamatsy vola

Sample post image

Ho an’ny kaominin’Ambanivohitr’Ampitatafika dia miandrandra fanamorana ny fanampiana ny kaominina amin’ny alalan’ny fampahitana famatsiam-bola izahay ao anatin’izao fiovan’ny governemanta izao,

19-août-2021

 hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Rado Ramparaoelina. Raha iny manakaiky ny lalam-pirenena voalohany iny izao, hoy izy, dia misy faritra efa nahazo didim-panjakana mikasika ny atao hoe “plan d’urbanisme de detail” hoe misy faritra azo totofana. Mitovy amin’ny nolazain’ny praiminisitra ny tena fanirianay dia ny fanamorana ny fidiran’ny mpampiasa vola eto Madagasikara. Tena mahita mpampiasa vola amin’izao fotoana izao ny kaominin’Ampitatafika hanao ny resaka momba ny lamba na “textile”. Handefa taratasy amin’ny fanamaivanana sy fanafainganana izahay satria ireo mpamatsy vola ireo matetika ela loatra ny fikirakirana taratasy eto Madagasikara. Lasa mitsoaka izy noho izay “lenteur administratif” izay dia mankany Afrika. Toy izay tsy misy valaka no nisy tamin’ny andro nahitanay orinasa mpanao biskoitra. Natao elabe ilay izy dia lasa tany amin’ny toeran-kafa ilay ozinina no natsangana. Fara faha keliny anefa ilay ozinina hatsangana eto, araka ny resaka nataonay mivantana tamin’ny tompon’andraikitra niaraka tamin-drizareo any Tahiti, dia hiteraka asa miisa 2000 aty am-piandohana. Ny nifanarahana dia hoe ho mponin’Ampitatafika ny 85%n’ireo mpiasa. Tomombana tsara ilay izy. Ny antoka alain-drizareo izany izao dia hoe raha hampiasa vola aty Ampitatafika izahay dia sao misy sakantsakana eny an-dalana fa izahay tsy dia mahay an’izay loatra? Tanisao aminay daholo hoe inona avy no ilaina? Ohatrinona avy ny vola ampiasaina amin’izany? Vonona izahay ara-bola fa mangataka, hoy ireo mpampiasa, hoe rehefa miasa dia tsy misy rahoraho. Samy manana ny hetahetany ny kaominina ka aoka ny governemanta vaovao mba hihaino ny hetahetany avy mba tsy ho lasa any amin’ny firenen-kafa ny mpamatsy vola hitanay ankehitriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap